DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Eksodosy 22:21-23

Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo. Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
Eksodosy 22:21-23 - MG1865

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Izay mandinika ny teny no hahita soa;
Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana