DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny ankohonana

  • Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.
  • Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.
  • Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
  • Anaka, tandremo ny didin-drainao,
    Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
  • Raha misy manao hoe: Tia an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?
  • Endrey, tsara sady mahafinaritra
    Raha ny mpirahalahy no miara-monina.
  • Fa ny famindram-pon'i Jehovah
    dia hatramin'ny taloha indrindra
    ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy
    Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
    Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny
    Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.
  • Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy ka tsy hamindra fo amin'ny zanaka naloaky ny kibony? Eny, mety manadino ihany izy, Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao. Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ianao, ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva.
  • Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,
    Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
  • Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
  • Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.
  • Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
  • Satroboninahitry ny antitra ny zafiny;
    Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.
  • Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra,
    Sady miseho ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana.
  • Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.
  • Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana;
    Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
  • Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
  • Ry malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
  • Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?
  • Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina,
    Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
  • Anaka, raha hendry ny fonao,
    Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko.
  • Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
    Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
  • Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao,
    Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao;
    Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra.
  • Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;
Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana