Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahatokisana
- Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny lalanao. - Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany. - Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.
- Ankino amin'i Jehovah ny asanao,
Dia ho lavorary izay kasainao. - Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho;
Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy;
Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may,
Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo. - Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,
Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko. - Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy.
- Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra
Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe:
Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy
Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. - Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana.
- Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra. - Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.
- Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;
Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. - Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,
Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. - Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?
- Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?"
- Mamandrika ny tahotra olona;
Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena. - Ankino amin'i Jehovah ny lalanao,
ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy,
ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana. - Izay mandinika ny teny no hahita soa;
Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra. - Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.
- Iza no ahy any an-danitra?
ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. - Aoka tsy ho amin'ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianina amin'izay anananareo; fa hoy Izy: "Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory".
- Miandrasa an'i Jehovah ianao;
matokia, ary aoka hahery ny fonao;
eny, miandrasa an'i Jehovah. - Tsara Jehovah,
fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,
Ka mahalala izay mialoka aminy. - Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa,
dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana. - Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Filaminana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...