DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mamoa

  • Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
    dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
    Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
    izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
    ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
    sady ho maitso ny raviny,
    ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
    fa tsy hitsahatra ny famoany.
  • Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.
  • Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.
  • Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo.
  • Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
  • Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
  • Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
  • Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha.
  • Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
    Ary tsy misy voany ny voaloboka,
    Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
    Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
    Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
    Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
    Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
    Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.
  • Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela,
    Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
  • Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.
  • Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
    Tsy hiverina amiko foana izy,
    raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
    ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
  • Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
  • Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
  • Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany.
  • Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin'ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.
  • Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.
  • Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana