Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fiovam-po
- Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
- Fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
- Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.
- Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.
- Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo.
- Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.
- Ary ny fonareo no triatriaro,
fa aza ny fitafianareo,
ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
Fa mamindra fo sy miantra Izy,
mahari-po sady be famindram-po
ary manenina ny amin'ny loza. - Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo.
- Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
- Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
- Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
- Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
- Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho. - Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
- Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
fa hamindra fo aminy Izy,
Eny, ho amin'Andriamanitsika,
fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. - Ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
- Fa raha ny ratsy fanahy miala amin'ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty.
- Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
- Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah,
miverena amiko amin'ny fonareo rehetra
ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. - Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
- Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
- Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
- Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.
- Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka.
- Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Famerim-berenana
Raha ny oloko izay...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Famelàn-keloka
Izay te-ho be fitiavana...
Fiovana
Fa isika rehetra kosa...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fahasoavana
Koa aoka isika hanatona...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Eny, na dia mandeha mamakyny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.Andinin-teny manaraka !