DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny famelàn-keloka

  • Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka;
    Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.
  • Ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
  • Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
  • Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
  • Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.
  • Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo.
  • Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.
  • Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;
    Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
  • Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka
    Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
  • Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan'ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
  • Iza no Andriamanitra tahaka Anao,
    Izay mamela heloka
    Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?
    Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,
    Fa tia famindram-po.
  • Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin'ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin'ny lalàn'i Mosesy.
  • Fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
  • Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.
  • Ny fahotako nambarako taminao,
    ary ny heloko tsy mba nafeniko.
    Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
    ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.
  • Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany.
  • Ary mamelà ny helokay tahaka
    ny namelanay izay meloka taminay.
  • Ary ny fonareo no triatriaro,
    fa aza ny fitafianareo,
    ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
    Fa mamindra fo sy miantra Izy,
    mahari-po sady be famindram-po
    ary manenina ny amin'ny loza.
  • Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo.
  • Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
  • Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.
  • Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.
  • Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
    ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
    ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
    fa hamindra fo aminy Izy,
    Eny, ho amin'Andriamanitsika,
    fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
  • Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka.
  • Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah;
    Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho;
    Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah,
    ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.

Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana