Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny manaiky
- Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.
- Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana).
- Sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.
- Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko,
ka dia hanantena Azy aho. - Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena.
- Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.
- Satria raha manaiky an'i Jesosy ho Tompo amin'ny vavanao ianao ary mino amin'ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin'ny maty, dia hovonjena ianao.
- Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
- Ny fahotako nambarako taminao,
ary ny heloko tsy mba nafeniko.
Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. - Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?
Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra. - Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
- Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
- Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin'izao tontolo izao sahady izy.
- Ary, injao! nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fibabohana
Koa mifaneke heloka ianareo...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Fampanantenana
Aza matahotra ianao, fa...