Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fiainana
- Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;
Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay. - Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
- Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,
Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona. - Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana.
- Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.
- Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindram-po
Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra. - Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
- Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. - Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.
- Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra.
- Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao;
ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. - Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. - Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô;
ampianaro ny sitrakao aho. - Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina.
- Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
- Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy;
Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany
dia amin'izay olona manao sain-dratsy. - Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy
amin'ny andro rehetra hiainako,
dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho. - Izay mahambim-bava no miaro ny ainy;
Fa izay vavàna dia haringana. - Tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
- Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.
- Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
- Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
- Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;
Fa mivily izay mandà anatra. - Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
- Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Hanina
Fa mahafa-po ny fanahy...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Famoroana izao tontolo izao
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...