Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fitiavan-tena
- Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.
- Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
- Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.
- Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
- Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa. - Ny adala tsy mba finaritra amin'ny fahalalana,
Fa ta-haneho izay ao am-pony. - Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin'izay hahasoa sy hampandroso azy.
- Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.
- Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.
- Amporisiho ny foko ho amin'ny teni-vavolombelonao,
Fa tsy ho amin'ny fieremana. - Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
- Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.
- Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Manaraka
Ary ny faharoa dia...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fanomboana
Ary Izy nitondra ny...