Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny hatezerana
- Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
- Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.
- Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
- Ny fankahalana dia manetsika ady;
Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra. - Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy;
Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. - Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.
- Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany. - Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa;
Fa ny hendry kosa manindry fo. - Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.
- Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay;
Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry. - Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady;
Fa ny adala rehetra kosa misafoaka. - Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana;
Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena. - Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona.
- Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah;
Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho;
Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah,
ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay. - Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
- Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Lahateny
Ny mahafaty sy ny...
Fifehezan-tena
Tanàna rava tsy misy...