Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mahatakatra
- Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
- Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
- Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany. - Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena;
Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. - Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;
hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. - Ataon'ny olona ho marina avokoa ny lalana rehetra alehany;
Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo. - Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.
- Mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara.
- Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona;
Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra. - Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra.
- Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao
Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina. - Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.
- Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany
no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo
sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. - Tsy fantatrao va?
Tsy efa renao va
fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah,
izay namorona ny faran'ny tany?
Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy;
Tsy takatry ny saina ny fahalalany. - Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo.
- Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay. Amena.
- Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
- Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!
- Sambatra izay olona mahita fahendrena
Sy izay olona mahazo fahalalana. - Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana;
Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. - Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.
- Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.
- Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan'Andriamanitra.
- Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly,
Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina. - Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Famoroana izao tontolo izao
Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Eritreritra
Diniho aho, Andriamanitra ô...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?