DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny famoroana izao tontolo izao

  • Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.
  • Fa Hianao no nahary ny voako;
    Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
    Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy;
    Mahagaga ny asanao;
    Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
  • Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.
  • Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.
  • Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
  • Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy.
  • Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
  • Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
    Avy aiza ny famonjena ahy?
    Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
    Mpanao ny lanitra sy ny tany.
  • Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
  • Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny;
    tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy;
    lahy sy vavy no namoronany azy.
  • Tsy fantatrao va?
    Tsy efa renao va
    fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah,
    izay namorona ny faran'ny tany?
    Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy;
    Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
  • Ny tenin'i Jehovah no nanaovana ny lanitra;
    ary ny fofonain'ny vavany no nanaovana ny hamaroany rehetra.
  • Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra,
    Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao,
    Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
  • Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
  • Fa izao zavatra ary rehetra izao dia samy maniry fatratra ka miandry ny fampisehoana ireo zanak'Andriamanitra.
  • Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany.
  • Ity no andro nataon'i Jehovah;
    Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
  • Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy,
    sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany;
    Ary miantso ny rano eny an-dranomasina
    ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany,
    Jehovah no anarany.
  • Ny famonjena antsika dia amin'ny anaran'i Jehovah,
    Mpanao ny lanitra sy ny tany.
  • Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo.
  • Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
  • Fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon'ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
  • Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
  • Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
  • Tamin'ny sitrapony no niterahany antsika tamin'ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.

Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana