DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fankasitrahana

  • Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.
  • Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.
  • Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
  • Tsy maintsy misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra.
  • Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:
    Fa mandrakizay ny famindram-pony.
  • Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.
  • Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;
    hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
  • Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.
  • Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.
  • Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana.
  • Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.
  • Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
  • Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
  • Fa izaho, dia feo midera
    no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao,
    Ary izay nivoadiako dia hefaiko;
    An'i Jehovah ny famonjena.
  • Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,
Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana