Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mahatoky
- Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao. - Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.
- Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
- Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;
Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao. - Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana).
- Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby.
- Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
- Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:
Fa mandrakizay ny famindram-pony. - Ny volon'elany no anaronany anao,
Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao;
Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. - Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
- Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.
- Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
- Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy
Ary miambina ny lalan'ny olony masina. - Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. - Fa ny famindram-pon'i Jehovah
dia hatramin'ny taloha indrindra
ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy
Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny
Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. - Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra,
Fa ny anaranao ihany,
Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao. - Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao. - Jehovah no hahatanteraka ny amiko;
Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao;
Aza mahafoy ny asan'ny tananao. - Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny,
fa tsy mahitsy ao anatiny,
Fa ny marina ho velon'ny finoany. - Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.
- Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;
aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva. - Fa Jehovah tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina;
Harovana mandrakizay ireo;
Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana. - Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy;
Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy
Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Filaminana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fampanantenana
Aza matahotra ianao, fa...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hianao no fiereko,miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao;
fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.Andinin-teny manaraka !