Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fitokisana
- Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.
- Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby.
- Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao. - Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
- Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;
Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. - Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;
Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. - Apetraho amin'i Jehovah ny entanao,
ary Izy no hanohana anao;
tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. - Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
- Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
- Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy,
Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. - Jehovah no hahatanteraka ny amiko;
Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao;
Aza mahafoy ny asan'ny tananao. - Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:
Fa mandrakizay ny famindram-pony. - Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.
- Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana. - Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy;
Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany. - Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
- Fa ny famindram-pon'i Jehovah
dia hatramin'ny taloha indrindra
ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy
Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny
Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. - Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy,
dia izay manantena ny famindram-pony. - Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;
Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. - Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
- Ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin'ny Rain'ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana.
- Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka
Ary be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao. - Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
- Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy,
Ary ny fanahy noana dia vokisany soa. - Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay,
eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mahatoky
Ny famindram-pon'i Jehovah no...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Tenin'Andriamanitra
Izay soratra rehetra nomen'ny...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao,Dia ho voalamina ny alehanao rehetra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAndroid-appAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.Andinin-teny manaraka !