Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny faniriana
- Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.
- Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.
- Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.
- Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
- Misy mahadia vain'afo va,
Ka tsy ho may ny tongony? - Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
- Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
- Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.
- Efa nampanekeko ny masoko;
Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy? - Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.
- Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.
- Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
- Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.
- Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano
an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. - Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
- Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.
- Raha misy alaim-panahy, aoka izy tsy hanao hoe: Andriamanitra no maka fanahy ahy; fa Andriamanitra tsy azon'ny ratsy alaim-panahy, sady tsy mba maka fanahy olona Izy.
- Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô,
no iandrasanay Anao,
ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao
no irin'ny fanahinay. - Ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra amin'izany ianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna.
- Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be.
- Aza manasa-tena hanan-karena,
Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy?
Fa maniry elatra tokoa izy
Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra. - Maniry fatratra mandritra ny andro izy;
Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra. - Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra.
- Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao ianao koa mba halaim-panahy ihany.
- Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Firaisana ara-nofo
Fa izao no sitrapon'Andriamanitra...
Fakam-panahy
Tsy misy fakam-panahy nahazo...
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Mpidoroka
Ny zavatra rehetra azoko...
Vola
Aoka tsy ho amin'ny...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananaoSy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.Andinin-teny manaraka !