DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanambadiana

  • Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo zava-tsoa
    Sady mahita sitraka amin'i Jehovah.
  • Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny, fa Izay nahary azy tamin'ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka dia nanao hoe: Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa? ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin'izany, izay nampiraisin'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.
  • Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy.
  • Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.
  • Iza no mahita vehivavy tsara?
    Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
  • Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny.
  • Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;
    Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
  • Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.
  • Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
  • Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.
  • Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
  • Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako;
    Tsy misy kilema ianao.
  • Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.
  • Aoka ny lahy hanao izay mety hatao amin'ny vavy; ary mba toy izany koa ny vavy amin'ny lahy. Ny vavy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny lahy; ary mba toy izany koa ny lahy tsy manam-pahefana amin'ny tenany, fa ny vavy.
  • Ary toy izany koa, ianareo lehilahy, miaraha mitoetra aminy araka ny marina, manaja ny vavy, tahaka ny mety hatao amin'ny fanaka malemilemy kokoa sady mpiara-mandova ny fahasoavan'ny fiainana,- mba tsy ho voasakana ny fivavahanareo.
  • Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.
  • Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
  • Aza misara-pandriana ianareo, raha tsy amin'izay andro sasany ifanekenareo ho andro hivavahana, nefa mbola hiraisanareo fandriana indray, mba tsy hakan'i Satana fanahy anareo noho ny tsi-faharetanareo.
  • Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.
  • Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga. Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady.
  • Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,
    ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
    fa notafiany fitafiana famonjena aho,
    ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
    toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
    ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
  • Fa hatramin'ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany. Koa izay nakamban'Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin'olona.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Koa amin'izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny Tomponareo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra;
Eny, hiaro ny fanahinao Izy.
Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra,
Hatramin'izao ka ho mandrakizay.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana