Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fiankinan-doha
- Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao
no mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao. - Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny lalanao. - Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;
Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. - Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. - Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany. - Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona;
Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra. - Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
- Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be. - Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
- Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;
Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. - Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.
- Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. - Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah,
fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho. - Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
- Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
- Raha tsy Jehovah no manao ny trano,
Dia miasa foana ny mpanao azy.
Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna,
Dia miari-tory foana ny mpiambina. - Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany. - Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,
Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. - Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah;
Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. - Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
- Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
- Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.
- Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
- Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany,
ary tsy ny sandriny no namonjy azy;
fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao
ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy. - Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay;
ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Fitaovana
Ary aoka isika hifampandinika...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...