- Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.
- Isaorana anie ny Tompo
Izay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro,
eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika. - Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy;
ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko. - Jehovah ô, Hianao no ialofako;
aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. - Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,
Voninahitro sy mpanandratra ny lohako. - Ny zavatra rehetra samy nataony ho mendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
- Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;
izy no mampietry sy mampisandratra. - Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
Tompo ô, henoy ny feoko;
Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako. - An'i Jehovah ny famonjena;
Ho amin'ny olonao anie ny fitahianao. - Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.
- Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.
- Mba hankanesako any aminareo amin'ny fifaliana, raha sitrapon'Andriamanitra, ka samy ho velombelona ny fontsika.
- Nefa any an-danitra Andriamanitsika;
Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy. - Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy.
- Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy;
Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony;
Koa izany no nanadinoany Ahy. - Fa Hianao mampirehitra ny jiroko;
Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. - Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy.
- Mananty tanana aminao aho;
Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Fitaovana
Ary aoka isika hifampandinika...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko.Andinin-teny manaraka !