DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny famindram-po

  • Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory.
  • Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
  • Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo).
  • Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô,
    araka ny fahasoavanao;
    araka ny haben'ny fiantranao
    vonoy ny fahadisoako.
    Sasao madio aho mba ho afa-keloka,
    ary diovy aho mba ho afa-pahotana.
  • Fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.
  • Iza no Andriamanitra tahaka Anao,
    Izay mamela heloka
    Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?
    Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,
    Fa tia famindram-po.
  • Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
  • Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.
  • Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô,
    fa hatrizay hatrizay ireny.
    Aza ny fahotan'ny fahatanorako,
    na ny ratsy nataoko, no tsarovanao;
    fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy,
    noho ny fahasoavanao Jehovah ô.
  • Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;
    aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
  • Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
  • Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy
    amin'ny andro rehetra hiainako,
    dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
  • Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray;
    Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
    Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
  • Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!
  • Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
    Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.
  • Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
  • Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô,
    Tompo ô, henoy ny feoko;
    Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.
  • Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
  • Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
  • Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;
    Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
  • Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.
  • Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
    ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
    ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
    fa hamindra fo aminy Izy,
    Eny, ho amin'Andriamanitsika,
    fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
  • Dia nanatona Petera ka nanao taminy hoe: Tompoko, impiry moa no hanotan'ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin'ny impito va? Fa hoy Jesosy taminy: Tsy lazaiko aminao hoe: Hatramin'ny impito, fa hatramin'ny impito amby fito-polo.
  • Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan'Andriamanitra ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina.
  • Dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina.

Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah;
Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho;
Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah,
ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
Hamantatra bebe kokoa...