Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny tanjaka
- Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;
Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho. - Fa izay miandry an'i Jehovah dia mandroso hery kosa;
Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery;
Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra;
Handeha izy, nefa tsy ho reraka. - Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. - Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.
- Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be. - Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
- Mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô.
Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy;
Andriamanitro, vatolampy ialofako,
sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. - Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
- Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny,
Katsaho mandrakariva ny tavany. - Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.
- Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
- Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana. - Jehovah no heriko sy ampingako;
izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho;
dia mifaly ny foko,
ka ny hirako no hiderako Azy. - Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
- Jehovah Tompo no tanjako,
Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy
Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako. - Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
- Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
- Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- Koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.
- Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
- Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
- Jehovah hanome hery ny olony;
Jehovah hitahy ny olony amin'ny fiadanana. - Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.
- Fa ny teny ny amin'ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'izay ho very, fa herin'Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena.
- Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fahalemena
Koa dia finaritra aho...
Andriamanitra lehibe
Anao, Jehovah ô, ny...
Fitaovana
Ary aoka isika hifampandinika...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.