- Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany,
ary tsy ny sandriny no namonjy azy;
fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao
ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy. - Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.
- Fa ao amin'ny tenany no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra; ary ianareo dia tanteraka ao aminy, sady Izy no Lohan'ny fanapahana sy ny fahefana rehetra.
- Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
- Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
- Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
- Iza moa no nanao sy nahavita izany,
sady miantso ny taranaka maro hatramin'ny taloha?
Izaho Jehovah no voalohany,
ary hatramin'ny farany dia mbola Izaho ihany no Izy. - Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
- Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.
- Fa maniry hahita anareo aho hanomezako anareo fahasoavam-panahy ho anareo, mba hampaharezina ianareo, izany dia ny mba hiarahako hamporisihina aminareo amin'ny finoantsika, dia ny anareo sy ny ahy.
- Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany.
- Hampahery ny taranak'i Joda Aho,
Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko,
Satria mamindra fo aminy Aho,
Ka ho toy izay tsy nariako izy;
Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy. - Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.
- Ary ny ho tia Azy amin'ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra, ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.
- Mahari-po Jehovah sady be hery Ary tsy mety manamarina ny meloka; Amin'ny tadio sy ny tafio-drivotra no lalan'i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fahalemena
Koa dia finaritra aho...
Andriamanitra lehibe
Anao, Jehovah ô, ny...
Fitaovana
Ary aoka isika hifampandinika...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.Andinin-teny manaraka !