Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny sazy
- Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah,
Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
Fa izay tian'i Jehovah no anariny,
Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany. - Izay rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha.
- Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery;
Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. - Fa izay nanota tsy nanana ny lalàna dia ho very tsy manana ny lalàna; fa izay nanota nanana ny lalàna kosa dia hotsaraina araka ny lalàna.
- Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
- Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy.
- Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
- Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
- Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.
- Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra,
koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha. - Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
- Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
- Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry;
Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza. - Tsia, hoy Izaho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.
- Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.
- Dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana.
- Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana.
- Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
- Fa mihoatra noho ny zavatra rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra, na amin'ny tany, na amin'izay fianianana hafa akory aza; fa aoka ny fanaikinareo ho "Eny", ary ny fandànareo ho "Tsia", fandrao hiharan'ny fitsarana ianareo.
- Andriamanitra mampitoetra an-trano izay irery tena;
mamoaka ny mpifatotra ho amin'ny fanambinana Izy;
fa ny maditra hitoetra amin'ny tany karankaina. - Jehovah miaro ny vahiny
Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena,
Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa. - Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina.
- Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa.
- Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana;
Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana. - Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitsarana
Koa amin'izany dia tsy...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fiovam-po
Raha ny oloko izay...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa Izaho Jehovah Andriamanitraono mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.Andinin-teny manaraka !
