DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny kamboty

  • Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory ianareo. Fa raha mampahory azy na amin'inona na amin'inona ianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho, ka hirehitra ny fahatezerako, ary hamono anareo amin'ny sabatra Aho; dia mba ho mpitondratena ny vadinareo, ary ho kamboty kosa ny zanakareo.
  • Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
  • Mianara hanao ny tsara,
    Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory,
    Omeo rariny ny kamboty,
    tsarao ny adin'ny mpitondratena.
  • Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao.
  • Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty;
    omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
  • Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
    manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
    Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
    Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
    ao amin'ny fonenany masina.
  • Jehovah miaro ny vahiny
    Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena,
    Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.
  • Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
  • Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho
    sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
    Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko;
    Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko.
  • Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo, Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana