Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny mpampionona
- Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny famindram-po sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra mba hahaizanay mampionona izay rehetra mitondra fahoriana kosa, anin'ny fampiononana izay ampiononan'Andriamanitra anay.
- Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
- Raha be ny ahiahy ato anatiko
Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. - Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
- Sambatra ny ory;
fa izy no hampifalina. - Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
- Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.
- Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah;
Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. - Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak'olombelona mety maty sy ny zanak'olona hatao tahaka ny ahitra.
- Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.
- Fa araka ny haben'ny fijalian'i Kristy mihatra aminay no haben'ny fampiononana anay kosa amin'ny alalan'i Kristy.
- Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
- Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fankaherezana
Fa izay miandry an'i...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Fanahy Masina
Ary ny Tompo izany...
Ray
Tahaka ny fiantràn'ny ray...
Fijaliana
Ary Andriamanitry ny fahasoavana...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.