DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Tenin'Andriamanitra

  • Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.
  • Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, mba ho tanteraka ny olon'Andriamanitra, ho vonona tsara ho amin'ny asa tsara rehetra.
  • Fanilon'ny tongotro
    Sy fanazavana ny lalako ny teninao.
  • Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.
  • Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?
    Ny fitandremana araka ny teninao.
  • Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.
  • Maina ny ahitra, malazo ny voniny;
    Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
  • Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
    ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
    Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.
  • Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.
  • Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
  • Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana.
  • Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao
    Ka manome fahalalana ho an'ny kely saina.
  • Fa Izy kosa namaly ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.
  • Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
  • Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah,
    ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.
  • Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
  • Andriamanitra no iderako ny teniny;
    Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho;
    inona no hataon'ny nofo amiko?
  • Fa tahaka ny zaza vao teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin'izany ho amin'ny famonjena.
  • Fa Jehovah no manome fahendrena;
    Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
  • Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
  • Fiereko sy ampingako Hianao;
    Ny teninao no andrasako.
  • Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.
  • Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
    Tsy hiverina amiko foana izy,
    raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
    ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
  • Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no iveloman'ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan'i Jehovah no iveloman'ny olona.
  • Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao;
    ny tananao ankavanana no manohana ahy,
    ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
    Halalahinao ny lalana hodiaviko,
    ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana