- Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao;
ny tananao ankavanana no manohana ahy,
ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Halalahinao ny lalana hodiaviko,
ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. - Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tanana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo.
- Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
- Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa;
Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy. - Anaka, tandremo ny teniko;
Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
Aza avela hiala eo imasonao izy,
Fa raketo ao am-ponao. - Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
- Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. - Ato am-poko no iraketako ny teninao,
Mba tsy hanotako aminao. - Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.
- Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao;
Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. - Fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra.
- Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako. - Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy
Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany. - Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah,
mamelombelona ny fanahy;
mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah,
mahahendry ny kely saina. - Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
- Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
- Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana;
Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. - Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.
- Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko;
Dia hihamaro ny taona hiainanao. - Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
- Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.
- Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
- Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
- Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. - Mahatoky izao teny izao:
Fa raha miara-maty aminy isika,
dia hiara-belona aminy koa.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Mihaino
Fantatrareo izany, sy rahalahy...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.