- Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.
- Mahatoky izao teny izao:
Fa raha miara-maty aminy isika,
dia hiara-belona aminy koa. - Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. - Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
- Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin'izany andro izany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Mihaino
Fantatrareo izany, sy rahalahy...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po,fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
