Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Ady ara-panahy
- Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
- Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.
- Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
- Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo.
- Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza,
tsy hatahotra ny foko;
na dia misy ady mihatra amiko aza,
dia hatoky ihany aho. - Hianao manao fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany,- ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra.
- Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly;
Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. - Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.
- Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.
- Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
- Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.
- Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
- Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
- Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
- Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy.
- Aza mety hofitahin'olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin'ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana, ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
- Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Satana
Mahonòna tena, miambena: fa...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Filaminana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Sampy
Anaka, arovy ny tenanareo...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;izy no mampietry sy mampisandratra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.Andinin-teny manaraka !
