Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanenjehana
- Eny, izay rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina.
- Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;
fa azy ny fanjakan'ny lanitra. - Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.
- Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
- Sambatra ianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona.
- Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
- Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.
- Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo.
- Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay.
- Eo an-tananao ny androko;
Vonjeo aho tsy ho azon'ny tanan'ny fahavaloko
sy izay manenjika ahy. - Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.
- Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.
- Dia lavo tamin'ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?
- Eny, na dia mandeha mamaky
ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
dia tsy hatahotra ny loza aho,
fa Hianao no amiko;
ny tsorakazonao sy ny tehinao,
ireo no mahafa-tahotra ahy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Jesosy
Fa Jesosy nijery azy...
Faharatsiana
Aza mety ho resin'ny...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...