Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Andriamanitra lehibe
- Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
- Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
- Izaho no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra, Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha.
- Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon'Andriamanitra.
- Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra
Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe:
Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy
Ary Andriamanitro, Izay hitokiako. - Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
- Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra;
Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany. - Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay;
ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay. - Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
- Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
- Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
- An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. - Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny mah'Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin'ny zavatra nataony; ka dia tsy manan-kalahatra ireo.
- Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
- Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina;
Izy no mahalala izay ao amin'ny maizina,
ary ny mazava mitoetra ao aminy. - Anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin'izao tontolo izao.
- Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao
eo amin'ny lelako, Jehovah ô. - Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;
izy no mampietry sy mampisandratra. - Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.
- Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
- Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Tanjaka
Aza matahotra ianao, fa...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Fanjakana
Moa tsy fantatrareo va...
Fahagagana
Fa Jesosy nijery azy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.