DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny Paka

  • Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin'ny vehivavy hoe: Aza matahotra ianareo; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian'ny Tompo.
  • Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe: Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.
  • Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.
  • Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an'i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
  • Ary rehefa nanala ny fitafiany, dia nanafy Azy lamba jaky izy. Ary nandrandrana satroka tsilo izy, ka nasatrony ny lohany, ary nampitaniny volotara ny tànany ankavanana, dia nandohalika teo anatrehany izy ka naneso Azy hoe: Arahaba, ry Mpanjakan'ny Jiosy!
  • Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
  • Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".
  • Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak'olona hatolotra ho amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin'ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin'ny hazo fijaliana; ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.
  • Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana any amin'ny avo indrindra.
  • Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
  • Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è!
    Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
    Hotahina anie izay avy amin'ny anaran'i Jehovah;
    Avy ao an-tranon'i Jehovah no itsofanay rano anareo.
  • Ary napetany teo ambonin'ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan'ny Jiosy.
  • Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
  • Ary tamin'izay dia niditra koa ny mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin'ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin'ny maty Jesosy.
  • Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
  • Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana