Andininy Baiboly momba ny fandrindrana
- Ankino amin'i Jehovah ny asanao,
Dia ho lavorary izay kasainao. - Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
- Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.
- Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;
Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany. - Hanome anao araka ny fonao anie
Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra. - Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina;
Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany. - Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona;
Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra. - Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,
Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko. - Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra.
- Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. - Aza manasa-tena hanan-karena,
Aza entina amin'izany ny fahendrenao. - Mampianara anay hanisa ny andronay,
Hahazoanay fo hendry. - Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany
no hahavon'ny lalako noho ny lalanareo
sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. - Izany koa dia avy amin'i Jehovah, Tompon'ny maro;
Fa mahagaga amin'ny fisainana Izy
Ary mahatalanjona amin'ny fahendrena. - Dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.
- Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany. - Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo,
raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahatokisana
Matokia an'i Jehovah amin'ny...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Mahatakatra
Antsoy Aho, dia hovaliako...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Eritreritra
Diniho aho, Andriamanitra ô...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Ary miravoravoa amin'i Jehovah ianao,dia homeny anao izay irin'ny fonao.Andinin-teny manaraka !