Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fanajana
- Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah.
Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy
Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa. - Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.
- Aza manao anao ho hendry;
Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany
Sy ho fanamandoana ny taolanao. - Indro, ny mason'i Jehovah mitsinjo izay matahotra Azy,
dia izay manantena ny famindram-pony. - Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah
Dia harena sy voninahitra ary fiainana. - Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
- Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah,
Dia izay mandeha amin'ny lalany. - Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy;
Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina. - Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah
Toy izay harena be misy ahiahy. - Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana;
Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.
Fananarana tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy. - Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.
- Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
- Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy.
- Ary tamin'izany, satria natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona dia nomen'Andriamanitra zanaka izy.
- Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah
Sady mankasitraka ny didiny indrindra. - Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry;
Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana. - Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. - Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany;
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy. - Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.
- Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay.
- Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra. - Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany.
Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy. - Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô,
Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho;
Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao. - Ary tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hatahoranao Azy.
- Dia nanam-piadanana ny fiangonana eran'i Jodia sy Galilia ary Samaria rehetra, sady nandroso tsara sy nandeha tamin'ny fahatahorana ny Tompo sy ny famporisihan'ny Fanahy ka nihamaro.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Fahendresena
Fa Jehovah no manome...
Fanompoana
Koa amin'izany, ry rahalahy...
Fankatoavana
Jesosy namaly ka nanao...
Fanarahana
Fa ny lalana rehetra...