Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fahasalamana
- Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.
- Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.
- Mahasitrana ny torotoro fo Izy
Sy mamehy ny feriny. - Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. - Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.
- Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
- Toho-tantely ny teny mahafinaritra,
Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana. - Aza manao anao ho hendry;
Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany
Sy ho fanamandoana ny taolanao. - Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
- Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
- Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.
- Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo;
Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Aretina
Misy marary va eo...
Vatana
Ahoana ary? Moa tsy...
Fahasitranana
Fa hoy Jesosy taminy...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...