- Andriamanitra no aro sy hery ho antsika;
Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy. - Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.
- Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana).
- Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.
- Fa Jehovah tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina;
Harovana mandrakizay ireo;
Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana. - Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.
- Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny fivavahana atao amin'ny finoana dia ho azonareo.
- Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
- Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
- Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao;
fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. - Fa izay mirehareha, dia aoka Jehovah no ho reharehany Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana, fa izay derain'ny Tompo.
- Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao,
ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. - Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah,
ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa. - Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
- Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro,
Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. - Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa;
Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona. - Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy;
Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy
Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy. - Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany;
Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa.
Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy;
Marina sy mahitsy Izy. - Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.
- Maina ny ahitra, malazo ny voniny;
Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay. - Ny volon'elany no anaronany anao,
Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao;
Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany. - Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao. - Aoka ny masonao hijery mahitsy,
Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. - Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;
aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva. - Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mahatoky
Ny famindram-pon'i Jehovah no...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Tenin'Andriamanitra
Izay soratra rehetra nomen'ny...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.Andinin-teny manaraka !
