- Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. - Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao. - Maina ny ahitra, malazo ny voniny;
Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay. - Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy. - Tia fahamarinana sy rariny Izy;
henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. - Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.
- Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. - Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga;
Aza manome ahy alahelo na harena;
Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy. - Miverena amiko ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
- Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
- Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
- Fahamarinana no tontalin-kevitry ny teninao;
Ary mandrakizay ny fitsipikao marina rehetra. - Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
- Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny,
fa tsy mahitsy ao anatiny,
Fa ny marina ho velon'ny finoany. - Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo,
raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. - Mahatoky izao teny izao:
Fa raha miara-maty aminy isika,
dia hiara-belona aminy koa. - Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah?
Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? - Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
- Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Mandra-pahafoan'ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin'ny lalàna, na dia litera iray na tendron-tsoratra iray aza, mandra-pahatanterak'izy rehetra.
- Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô,
Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho;
Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao. - Ary ny fonareo no triatriaro,
fa aza ny fitafianareo,
ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
Fa mamindra fo sy miantra Izy,
mahari-po sady be famindram-po
ary manenina ny amin'ny loza. - Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga;
Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky. - Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.
- Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga;
Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany. - Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Mahatoky
Ny famindram-pon'i Jehovah no...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Tenin'Andriamanitra
Fa velona sy mahery...
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...