Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fampihavanana
- Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.
- Ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
- Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.
- Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.
- Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo.
- Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin'Andriamanitra tamin'ny nahafatesan'ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin'ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
- Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.
- Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an'Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra'noho ny fahotantsika.
- Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
noho ny voninahitry ny anaranao;
ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay,
noho ny anaranao. - Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.
- Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Famelàn-keloka
Izay te-ho be fitiavana...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Mpamonjy
Izao no fitiavana: tsy...
Izao tontolo izao
Aza tia izao tontolo...
Fiadanana
Hitahy anao anie Jehovah...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana.Fa izay mitady an'i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.