- Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao
ho an'ny matahotra Anao!
dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona
ho an'izay mialoka aminao! - Andriamanitra no iderako ny teniny;
Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho;
inona no hataon'ny nofo amiko? - Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.
- Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
- Tsara ny mialoka amin'i Jehovah
Noho ny mialoka amin'ny olona. - Jehovah no heriko sy ampingako;
izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho;
dia mifaly ny foko,
ka ny hirako no hiderako Azy. - Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
- Ny saina tsy miovaova dia harovanao
ao amin'ny fiadanana tanteraka,
satria matoky Anao izy. - Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao;
fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. - Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
- Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.
- Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.
- Tsy filan-javatra anefa no anaovako izany; fa izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana.
- Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako;
ho faly amin'ny famonjenao ny foko.
Hihira ho an'i Jehovah aho,
satria nanisy soa ahy Izy. - Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza,
tsy hatahotra ny foko;
na dia misy ady mihatra amiko aza,
dia hatoky ihany aho. - Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan'ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin'io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
- Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminay
araka ny anantenanay Anao. - Avy amin'i Jehovah no mahalavorary ny dian'ny olona,
ka Izy no mankasitraka ny lalany. - Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
- Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken'ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
- Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin'ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
- Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. - Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah
amin'ny tanin'ny velona. - Ary ankehitriny, anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana, raha hiseho Izy, ka tsy ho menatra eo anatrehany amin'ny fihaviany.
- Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Tahotra
Aza matahotra ianao, fa...
Filaminana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fiarovana
Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra...
Fo
Tandremo ny fonao mihoatra...
Fitahiana
Hitahy anao anie Jehovah...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.Andinin-teny manaraka !