- Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona;
Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana. - Mahalala hietry aho, ary mahalala hitombo; na aiza na aiza, ary na amin'inona na amin'inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.
- Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?
- Ary koa, ny olona rehetra izay omen'Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany sy hifaliany amin'ny fisasarana, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
- Ny lalan'ny teni-vavolombelonao no ifaliako,
Tahaka ny ifaliako amin'ny harena rehetra. - Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
- Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
- Ary izay rehetra manam-pananana amin'izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran'ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran'ny fitiavana an'Andriamanitra ao anatiny?
- Trano sy harena no lova avy amin'ny ray;
Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah. - Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;
izy no mampietry sy mampisandratra. - Aleo ny kely omban'ny fahamarinana
Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny. - Tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
- Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
- Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
- Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra;
Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome. - Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo,
Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra. - Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
- Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.
- Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy;
Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. - Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko.
- Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavan-karena
Fa tsy nitondra na...
Trosa
Misambotra ny ratsy fanahy...
Fitiavan-bola
Izay tia vola tsy...
Fahantrana
Dia hoy Jesosy taminy...
Fanaovana ny marina
Anaka, aoka tsy ho...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.