- Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;
manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
ao amin'ny fonenany masina. - Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina", olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga.
- Raha misy manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia mba hosimban'Andriamanitra kosa izy; fa masina ny tempolin'Andriamanitra, dia ianareo izany.
- Fa izao no sitrapon'Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana, mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin'ny fahamasinana sy ny voninahitra, tsy amin'ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an'Andriamanitra.
- Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany;
Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa.
Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy;
Marina sy mahitsy Izy. - Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Famonjena
Ary tsy misy famonjena...
Rariny
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Andriamanitra
Jehovah Andriamanitrao no ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...