- Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
- Maro ny fahorian'ny marina;
nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. - Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.
- Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
- Apetraho amin'i Jehovah ny entanao,
ary Izy no hanohana anao;
tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. - Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,
ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra. - Mianara hanao ny tsara,
Diniho izay rariny, anaro ny mpampahory,
Omeo rariny ny kamboty,
tsarao ny adin'ny mpitondratena. - Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona.
- Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.
- Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny
Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra. - Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho. - Ny fahamarinana manandratra ny firenena;
Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona. - Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana;
fa azy ny fanjakan'ny lanitra. - Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara
Sy izay ilain'i Jehovah aminao,
Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po
Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena. - Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina,
Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany,
Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy. - Aleo ny kely omban'ny fahamarinana
Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny. - Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.
- Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
- Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo hikambanana amin'ny tsy mino. Fa inona no iraisan'ny fahamarinana sy ny fahotana? Ary inona no iombonana'ny mazava sy ny maizina?
- Fa ankehitriny dia efa naharihary ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra, tsy amin'ny lalàna anefa, fa ambaran'ny lalàna sy ny mpaminany, dia ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Jesosy Kristy ho an'izay rehetra mino; fa tsy misy hafa.
- Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. - Fa Jehovah no Mpitsara antsika;
Jehovah no mpanome lalàna antsika;
Jehovah no mpanjakantsika;
Izy no hamonjy antsika. - Tia fahamarinana sy rariny Izy;
henika ny famindram-pon'i Jehovah ny tany. - Jehovah ô, Hianao no ialofako;
aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitsarana
Koa amin'izany dia tsy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao?Jehovah, Tompon'ny maro,
Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fanilon'ny tongotroSy fanazavana ny lalako ny teninao.Andinin-teny manaraka !