- Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy,
Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany. - Jehovah ô, Hianao no ialofako;
aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. - Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
- Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka. - Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
- Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany. - Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
- Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,
ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
fa notafiany fitafiana famonjena aho,
ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany. - Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".
- Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. - Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao. - Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
- Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
- Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
- Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty;
omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy.
- Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
- Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.
- Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
- Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
- Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
- Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina;
Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra;
Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao,
dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao. - Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina;
Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy. - Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
- Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy
Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitsarana
Koa amin'izany dia tsy...
