- Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka;
Fa Jehovah manohana ny marina. - Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
- Jehovah ô, Hianao no ialofako;
aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. - Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
- Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka. - Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,
ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
fa notafiany fitafiana famonjena aho,
ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany. - Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany. - Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
- Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".
- Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. - Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
- Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao. - Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
- Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty;
omeo rariny ny ory sy ny malahelo. - Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
- Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
- Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
- Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.
- Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy.
- Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
- Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
- Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina;
Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra;
Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao,
dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao. - Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
- Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy?
Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;
Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho,
avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany?
Na manan-tsaina mba hahalala izany?
Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah,
ary ny marina no mizotra eny aminy;
Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy. - Tsara sy mahitsy Jehovah,
ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitsarana
Koa amin'izany dia tsy...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Izay manisy soa olona hohatavezina;Ary izay mandena dia mba holemana kosa.Andinin-teny manaraka !
