- Sambatra ny mahitsy lalana,
Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah. - Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.
- Tsara sy mahitsy Jehovah,
ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. - Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy.
- Satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.
- Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
- Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika.
- Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina;
Fa ho lò ny anaran'ny ratsy fanahy. - Zaro amin'izay lalana tokony halehany ny zaza,
Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany. - Fa mahalala ny lalana falehako Izy;
Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany;
Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. - Làlam-pahendrena no atoroko anao:
Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho. - Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô,
no iandrasanay Anao,
ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao
no irin'ny fanahinay. - Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.
- Ry Efraima ô, hataoko inona intsony izay sampy?
Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;
Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho,
avy amiko no hahazoana ny vokatrao.
Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany?
Na manan-tsaina mba hahalala izany?
Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah,
ary ny marina no mizotra eny aminy;
Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy. - Ny amin'ny Vatolampy, tanteraka ny asany;
Fa ny lalany rehetra dia amin'ny rariny avokoa.
Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy;
Marina sy mahitsy Izy. - Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
- Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.
- Ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin'ny ota ho fiadian'ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian'ny fahamarinana ho an'Andriamanitra.
- Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana;
Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana. - Aoka ny masonao hijery mahitsy,
Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. - Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina;
fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe. - Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana;
Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana. - Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny,
fa tsy mahitsy ao anatiny,
Fa ny marina ho velon'ny finoany. - Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy
Ary miambina ny lalan'ny olony masina. - Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Lalàna
Ary aoka ho ao...
Fahotana
Moa tsy fantatrareo va...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fiainana
Jehovah hiaro anao amin'ny...
Fitokisana
Fa mahatoky ny Tompo...
Fitsarana
Koa amin'izany dia tsy...