DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Rariny (5/5)

  • Raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin'ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
  • Koa amin'ny lalan'ny fitsaranao, Jehovah ô,
    no iandrasanay Anao,
    ny anaranao sy ny fahatsiarovana Anao
    no irin'ny fanahinay.
  • Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
    Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
  • Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.
  • Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
  • Dia tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina.
  • Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.
  • Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?
  • Jehovah mampahiratra ny jamba
    Jehovah mampitraka ny mitanondrika;
    Jehovah tia ny marina.
  • Misambotra ny ratsy fanahy, nefa tsy manohitra;
    Fa ny marina kosa mamindra fo ka manome.
  • Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
    ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
    ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
    fa hamindra fo aminy Izy,
    Eny, ho amin'Andriamanitsika,
    fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
  • Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
  • Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana.
  • Koa aoka ho ao aminareo ny tahotra an'i Jehovah; tandremo ka ataovy izany, fa tsy mba misy heloka amin'i Jehovah Andriamanitsika, na fizahan-tavan'olona, na fandraisana kolikoly.
  • Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany,
    Izay efa nanaraka ny fitsipiny:
    Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana;
    Angamba ho voafina ianareo
    amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.
  • Fa mandosira ny filan'ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin'izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
  • Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
  • Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.