- Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao;
Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana,
Ka tsy ho foana ny fanantenanao. - Ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina.
- Tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
- Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko;
fa Izy no antenaiko. - Ny fanantenan'ny marina dia fifaliana;
Fa ny fanantenan'ny ratsy fanahy ho foana. - Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fankaherezana
Ary Jehovah no mandeha...
Fanahy
Ary ny Tompo izany...
Fampanantenana
Aza matahotra ianao, fa...
Aina
Kanefa any ianao no...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Fanahy Masina
Ary ny Tompo izany...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaAndroidAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.Andinin-teny manaraka !
