DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Isaia 58:13-14

Raha miaro ny tongotrao amin'ny Sabata ianao
ka tsy manao izay tianao amin'ny androko masina,
ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana,
ary ny nohamasinin'i Jehovah hoe mendrika hohajaina,
ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin'ny lalanao,
na manao izay tianao, na miteniteny foana,
Dia hiravoravo amin'i Jehovah ianao,
ary hasandratro ao amin'ny havoana amin'ny tany ianao,
sy hofahanako amin'ny lovan'i Jakoba rainao;
Fa ny vavan'i Jehovah no efa niteny.
Isaia 58:13-14 - MG1865

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aiza no hialako amin'ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao;
Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana