DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly momba ny fitafiana

  • Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.
  • Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, fa amin'ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra.
  • Koa mitafia famindram-po sy fiantrana,, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala.
  • Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?
  • Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy.
  • Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
  • Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,
    ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
    fa notafiany fitafiana famonjena aho,
    ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
    toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
    ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
  • Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo anatrehan'ny anjeliny.
  • Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
  • Aza manahy ny amin'ny ainareo, izay hohaninareo, na ny amin'ny tenanaren, izay hotafinareo. Fa ny aina mihoatra noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana.
  • Ary namaly izy ka nanao taminy hoe: Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ho an'ny tsy manana; ary izay manan-kanina, dia aoka hanao toy izany koa izy.
  • Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mitoha izy.
  • Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
  • Ary ny fitafian'izany Jaona izany dia lamba volon-drameva, ary fehin-kibo hoditra no tamin'ny valahany; ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ny famindram-pon'i Jehovah no tsy nahalany ritra antsika,
fa tsy mitsahatra ny fiantrany.
Vaovao isa-maraina izany;
lehibe ny fahamarinanao.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana