DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Fanetren-tena (2/2)

  • Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
  • Fa sitrak'i Jehovah ny olony;
    Ravahany famonjena ny mpandefitra.
  • Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
  • Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra,
    Fa ny anaranao ihany,
    Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
  • Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.
  • Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena;
    izy no mampietry sy mampisandratra.
  • Lozan'izay miady amin'ny namorona azy! Tavim-bilany isan'ny tavim-bilany amin'ny tany ihany ireny! Ny tanimanga va hilaza amin'ny mpanefy azy hoe: Inona no ataonao? Na ny asanao va hanao hoe: Tsy manan-tanana izy?
  • Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika;
    Aoka isika handohalika eo anatrehan'i Jehovah, Mpanao antsika.
  • Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.
  • Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.
  • Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.
  • Ary raha mifady hanina ianareo, aza mety ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy, izay malahelo tarehy; fa mampisotisoty ny tavany izy mba ho hitan'ny olona fa mifady. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.
  • Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.
  • Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?
    Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
  • Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.
  • Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô,
    ary mihainoa ny fitarainako;
    aza mangina amin'ny ranomasoko
    fa vahiny aminao aho
    sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
  • Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo:
    Rainay Izay any an-danitra,
    hohamasinina anie ny anaranao.
    Ho tonga anie ny fanjakanao.
    Hatao anie ny sitraponao
    etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.
  • Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
  • Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny andevo tsy lehibe noho ny tompony, na ny iraka noho ny maniraka azy.
  • Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany,
    Izay efa nanaraka ny fitsipiny:
    Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana;
    Angamba ho voafina ianareo
    amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;
avy aminy ny famonjena ahy.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana