DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Hatsaram-panàhy (2/2)

  • Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.
  • Ny olona tsara no isehoanao fa tsara;
    ny tena olo-marina no isehoanao fa marina.
  • Koa izay mahalala hanao soa, nefa tsy manao, dia heloka ho azy izany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Tsara sy mahitsy Jehovah,
ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana